lundi 8 septembre 2014

Sarotra tokoa ny mitondra ny anaran-dRay ...

Raha ny fomban-tsika malagasy fahiny tokoa no zohina dia samy mamaritra ny anarana izay tiany ho an'ny zanany avy ireo ray aman-dreny, samy mamorona fiantso izay tiany sy ho zakan'ny zanany avy koa, izany tokoa no antony nahalava ny anaran'ireo Ntaolo taloha, ataony miteny mihitsy, hany ka na ny mpiray tampo aza samy mitondra ny azy avy.
Mbola vitsy moa ny mponina fahiny, sady ny Anarana koa tanim-boanjo rahateo ka dia feno ahitàna anarana mitovy erakin'ny nosy, na dia tsy misy rohim-pihavanana aza.

Tonga ireo vahiny taty aoriana ka dia lasa fanao ny nametraka fanampiny, ary nohon'ny fitakian'ny fampandehanan-draharaha ara-panjakana sy ny fitomboan'ny mponina, dia tsy naka sarotra ny maro ka dia ny anaran-dray no nampitondraina ny zanaka ary nampiana fanampiny tsirairay fotsiny, na koa hoe asiana anarana fangaro kely avy any amin'ny reny.
Taty afara nitombo ireo karazana fanampiny afaka nosafidianana ka tao ny foto-teny tena malagasy, ary tao koa ireo azo avy any ivelany, ary misy aza dia anarana safiotra gasy mifangaro hafa mihitsy ...


Noho ny fitondram-panjakana mila mandrakitra maika ireo anaran'ny zaza vao teraka, dia voatery mamorona anarana malaky ny ray aman-dreny, hany ka sahirana ihany izy ireo ny hamorona vetivety eo, ny amin'izao moa dia efa azo fantarina mialoha ihany hoe lahy sa vavy, fa na dia izany aza dia zava-dehibe tokoa amintsika malagasy ny fametahana anarana raikitra, izay mila dikany tokoa. 

Raha ny marina, dia anara-petaka toy ny Lita, Boto,  Koto, Peta, Zara, Jao, Soa, Ketaka, Bozy, Bao, MBoty, Balita ... no fanome ny zazakely entiny mandra-paha vositra azy, ka rehefa hita soritra ny itondràna ny vitany, ny toetra sy toerana tiana ho azony, ny soa tiana ho tohizany ary ny ratsy tiana hialàny  dia ilaozany ny anaram-bositra ka ampitondraina ny anarana maha-izy azy amin'izay ny ankizy, ho entiny mitombo sy mihalehibe.

Izany tokoa no mahatonga ny faritra maro eto amin-tsika tsy miasa saina firy amin'izay ho anaran-jaza tonga eo,  atao ankamehana any fa ho any fotsiny satria mila kopia ny fanjakàna hanoratana ny tsaiky mena vava, tsy maka alavitra fa dia izay toe-java misy eo na olo-malaza, na lamaody vaovao, na anaran-tanàna, na karazan-doko, sakofo ... tsy ary hotanisaina eto izany aloha fa efa haintsika ihany ;) ny olana dia ireo ray aman-dreny no faly mametaka sy midoka tena fa ilay ankizy no sahirana mitondra izany mandritrin'ny fiainany.

Marefo tokoa mantsy ny zaza madinika ka dia nafenina ny anarana, eny fa ny daty sy vanin'andro nahaterahana aza, ka tamin'izany dia vitan'ny hoe teraka "vers 18.." fotsiny dia ampy.

Na dia azo atao aza ny manova ny anarana eny amin'ny tribonaly dia mbola tantara hafa ihany koa izany... 




Raha hiverina isika ny amin'ny hoe, fa maninona tokoa no tsy nampitondraina ny anaran-dray mihitsy ny zaza fahiny, satria sarotra dia sarotra ny mandimby ny anaran-dray na ny anaran-dreny, satria samy amin'ny vitany avy izy ireo, samy amin'ny androny avy ny olona tsirairay ka nalavirin'ny Ntaolo mihitsy izany hitondran'ny ankizy ny ditra na handovany ny vitan-dratsin'ny ray aman-dreny izany, ary irariany kosa ny hitohizany sy hanarahan'ireo taranany  ny tsara rehetra avy aminy. Nasehony izany tamin'ilay fiteny hoe Adala ny toa an-drainy, satria faniriana mihitsy ny mba hihoaran'ny zandry zanaka ny zoky Ray aman-dReny.

Izany firariana izany dia napetrakin'ny Ntaolo tamin'ny fangatahan-tsodrano amin'ny fomba fanolorana ny zaran'angady sy ny saronan-karona.
Maro ny zavatra tsy maintsy lovain'ny taranaka izay lazaina hoe : manaranaka, iarahan-tsika mahalala ny toe-batana sy ny firafiny, ny toe-tsaina sy ny kolony, ny toe-po sy fahendreny ary ny ara-panahy ... ka mailo tokoa ny Ntaolo ny amin'ny fitsimbinany ny taranany, satria tokoa ny lova ratsy ozona fa ny lova tsara tso-drano

Miary A.
Antananarivo

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire